Fanontaniana apetraka matetika (FAM)
Fantaro ny FamilySearch, ilay loharanom-pitaovana momba ny tantaram-pianakaviana maimaim-poana lehibe indrindra maneran-tany.

Fampahalalana ankapobeny
Ny FamilySearch dia rafitra iraisam-pirenena tsy mitady tombontsoa izay milofo hanampy ny olon-drehetra hahafantatra ny tantaram-pianakavian’izy ireo. Izany dia manome fahafahana miditra maimaim-poana ao amin’ireo firaketana ara-tetiarana, hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary loharanom-pitaovana hafa. Miavaka ny FailySearch satria izy dia loharanom-pitaovana maimaimpoana ary iray amin’ireo rafitra momba ny tetiarana mazava tsara sy lehibe indrindra maneran-tany, tohanan’ny tambajotran’ireo mpilatsaka an-tsitrapo maneran-tany izay manampy amin’ny firaketana sy fitehirizana ireo antontan-taratasy ara-tantara.
Ny FamilySearch International, izay tohanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia fikambanana lehibe indrindra momba ny tetiarana maneran-tany. Nandritra ny 125 taona mahery, izany dia nanangona, nitahiry ary nizara firaketana ara-tetiarana. Olona an-tapitrisany no mampiasa ny loharanom-pitaovana maimaim-poana an-jotra ananany ao amin’ny FamilySearch.org sy ao amin’ireo ivon-toeran’ny FamilySearch mihoatra ny 6.500 ao amin’ny firenena 129, anisan’izany ny tranombokin’ny FamilySearch ao Salt Lake City, Utah.
Eny, maimaim-poana tanteraka ny fampiasana FamilySearch. Ny rafitra dia manome fahafahana miditra maimaim-poana ao amin’ireo tahiry lehibe ananany amin’ireo firaketana ara-tetiarana, rafi-tetiarana, ary loharanom-pitaovana hafa. Afaka manokatra kaonty ianao, manangana ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao, ary miditra maimaim-poana ao amin’ireo firaketana.
Eny, mikatsaka ny hanampy ny olona maneran-tany mba hifandray amin’ny tantaram-pianakavian’izy ireo ny FamilySearch. Hita any amin’ireo firenena maherin’ny 170 izany ary afaka atao amin’ny fiteny maro. Ny tranonkala sy ny applications amin’ny finday dia misy amin’ny fiteny maherin’ny 40, anisan’izany ny Anglisy, Espaniôla, Frantsay, Alemana, Sinoa, Japoney, sy ny maro hafa.
Fahafahana mampiasa sy fidirana amin’ny alalan’ny kaonty
Mba hahazahoana ny traikefa tsara indrindra dia tokony hiditra amin’ny alalan’ny kaonty ianao. Mitaky fidirana amin’ny alalan’ny kaonty ny ankamaroan’ireo endri-javatra fototra, saingy maimaimpoana tanteraka anefa izy ireo. Kanefa tsy voatery hiditra amin’ny alalan’ny kaonty ianao vao afaka mampiasa ireo zavatra maro ao amin’ny tranonkala, anisan’izany ireto loharanom-pitaovana ireto:
Katalaogin’ny FamilySearch: Fitadiavana ireo firaketana ara-tantara mba hanampy amin’ny fikarohana momba ny tetiarana ataonao.
Fikarohana amin’ny alalan’ny Wiki ao amin’ny FamilySearc: Fidirana ao amin’ny fanampiana sy loharanom-pitaovana fianaran-javatra momba ny FamilySearch sy teny fampiasa.
Ny mombamomba ahy rehetra: Fantaro ireo zavatra mahaliana momba ny anaranao sy ireo zava-nitranga hatramin’ny taona nahaterahanao.
Mba hahitana zavatra bebe kokoa ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch dia araho ireto dingana manaraka ireto mba hidirana:
Mandehana ao amin’ny FamilySearch.org, ary tsindrio eo amin’ny Hiditra.
Safidio ny hiditra amin’ny fampiasana ny kaontinao Google, Facebook, Apple na ny kaontinao ao amin’ny Fiangonana (ho an’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany).
Raha tianao, dia afaka mamorona anarana fampiasa sy tenimiafina ihany koa ianao.
Mampidira email na laharan’ny telefaonina finday ho an’ny fomba fanarenana.
Ekeo ireo Fepetra amin’ny fampiasana sy ny Filazana mikasika ny maha tsiambaratelo, ary avy eo tsindrio ny Vita.
Ampandehano ny kaontinao amin’ny alalan’ny fanarahana ny torolalana nalefa tany amin’ny email anao na ny telefaonina finday.
Afaka miditra ao amin’ny FamilySearch eny am-pandehandehananao eny ianao amin’ny alalan’ny fisintonana ny Applis Arbre familial, Souvenirs, na Get Involved avy ao amin’ny Apple App Store na Google Play Store. Raha vantany vao tafiditra ny app, dia sokafy izany, ary midira amin’ny alalan’ny kaonty FamilySearch anao.
Eny, ny FamilySearch dia manao ho laharam-pahamehana ny tsiambaratelo sy ny fiarovana ny fampahalalana an’ny mpampiasa, amin’ny alalan’ireo fepetra matanjaka napetraka mba hiarovana ny fampahalalana momba anao. Mahazo matoky ianao fa kirakiraina amim-pitandremana lehibe indrindra ny angon-drakitrao.
Tari-dalana hoenti-manomboka sy Fanampiana
Miankina betsaka amin’izay zavatra tianao hotratrarina ny toerana hanombohanao? Indreto misy safidy vitsivitsy mba hanampy anao hanomboka:
Hamorona hazon’ny tetiaram-pianakaviana: Atombohy amin’ny alalan’ny fampidirana ny fampahalalana izay efa fantatrao mikasika ny fianakavianao akaiky. Azonao ampiasaina avy eo laha-tahiry midadasika an’ny FamilySearch mba hahitana firaketana fanampiny sy hampivelarana ny hazon-tetiaranao.
Hitady razambe ao amin’ireo antontan-taratasy ara-tantara: Ampiasao ny fitaovana fikarohana ao amin’ny FamilySearch mba hitrandrahana ireo firaketana an-davitrisany, anisan’izany ny nahaterahana, fanambadiana, fahafatesana, fanisam-bahoaka, ary ireo firaketana momba ny fanompoana miaramila.
Hitahiry sary sy tantaran’ny fianakaviana : Ampiasao ny endri-javatra ao amin’ny Fahatsiarovana mba hampidirana sary, tantara, ary tahirin-kevitra.
Hangataka fanampiana natokana ho anao manokana: Mamandriha firesahana maimaim-poana amina manam-pahaizana ato amin’ny FamilySearch mba hahazahoana fanampiana mifanaraka aminao.
Raha tojo olana ara-tekinika ianao eo am-pampiasana ny FamilySearch.org, ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana momba ny FamilySearch dia manolotra loharanom-pitaovana marobe, anisan’izany ireo lahatsoratra, fampianarana, ary FAM hanampiana mba hamahana olana mateti-pitranga. Raha mila fanampiana misimisy kokoa ianao dia azonao atao ihany koa ny mifandray amin’ny ekipan’ny sampam-panampiana an’ny FamilySearch ho an’ny fanampiana manokana.
Misy loharanom-pitaovana maromaro mba hanampiana anao amin’ny fikarohana tetiarana ataonao, anisan’izany ireo horonan-tsary an-jotra, ivon-toerana FamilySearch eo an-toerana, aryfizahana an-jotra. Ny FamilySearch dia manana blaogy mizara fampahalalana sy hetsika izay mampianatra fahaiza-manao isankarazany momba ny tetiarana. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia afaka manampy anao hahita ny fanampiana ilainao mba hahazoanao tombontsoa betsaka avy amin’ny fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana ataonao.
Ny fahafantaranao bebe kokoa momba ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao dia hanampy anao hahafantatra bebe kokoa ny tenanao sy fomba fiainana tsara kokoa. Ny tetiarana dia manampy anao hahatakatra kokoa ny maha-ianao anao, hifandray amin’ireo razambe, ary hanorina herin-tsaina hoenti-miarina amin’ny alalan’ny fahafantarana ny olana niainan’izy ireo. Izany dia mampitombo ny fangorahana, manamafy ny fifamatorana eo amin’ny fianakaviana, ary mampivelatra ny fahatokian-tena amin’ny alalan’ny fanampiana anao hahatakatra ny maha anisan’ny mpandray anjara anao ao anatina tantara lehibe iray.
Mandritra ny taona dia mikarakara hetsika isan-karazany ny FamilySearch, anisan’izany nyRootsTech hetsika fanao isan-taona, izay fihaonambe lehibe indrindra maneran-tany momba tantaram-pianakaviana, tanterahina isan-taona izay sady afaka atrehina mivantana sy arahina mivantana an-jotra. Ny FamilySearch ihany koa dia manome famelabelarana virtoaly an-jotra tsy tapaka sy kilasy momba ireo lohahevitra isan-karazany mikasika ny tetiarana mandritra ny taona.
Tsy nahita izay notadiavianao ve ianao?
Tsidio ny fanampiana naIvon-toerana misahana ny fianarana, na koa mifandraisa aminay miaraka amin’ireo fanontaniana anananao.
Hamaky bebe kokoaHamorona kaonty maimaim-poana
Raketo ny mombamomba ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao, ary mahazoa torohevitra natao ho anao manokana momba ireo razambenao.