FamilySearch

Miaro ny mombamomba anao ny FamilySearch

Ny fampahalalana momba ny tena manokana izay nalefanao ao amin’ny tranonkala dia tazomina ho anao samirery raha tsy hoe ianao no misafidy ny hizara izany amin’ny hafa. Amin’ny maha tsy mitady tombontsoa anay dia tsy hivarotra na oviana na oviana ny lahatahirina izahay.

Hamaky ny filazana mikasika ny tsiambaratelo rehetra›

Tsy mivarotra ny lahatahirinao izahay

Amin’ny maha rafitra iraisam-pirenena mahazo fanohanana feno tsy mitady tombontsoa azy, ny FamilySearch dia tsy mila tambiny amin’ireo tolotra omeny na mivarotra ny fampahalalana momba anao any amin’ireo orinasa hafa.

Ianao no mandrindra ny zava-drehetra

Ianao no misafidy hoe iza no afaka mahita ny fampahalalana manokana momba anao, ary afaka fafana amin’ny fotoana rehetra izany. Ireo fitaovana mba hiarovana ny fampahalalana momba anao dia misy anarana mazava tsara ary mora ampiasaina.

Ahoana no hitantanana ny fikirakirana momba ny tsiambaratelonao

Mora ny mandrindra izay afaka mahita ny mombamomba anao.

Fanontaniana momba ny kaonty

Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana rehetra anananao momba ny Kaonty FamilySearch anao.

Fanavaozana ny ao amin’ny fikirakirana momba ny tsiambaratelo

Hijery sy hanavao ny fikirakirana momba ny tsiambaratelo ao amin’ny fikirakirana ny kaontinao.

Hianatra misimisy kokoa

Mitady torolalana mazava tsara momba ny fomba fitantanana ny fikirakirana momba ny tsiambaratelo?

Ahoana ny fomba hifandraisana amin’ny birao misahana ny tsiambaratelon’ny fampahalalana

Raha mila fanampiana na fampahalalana misimisy kokoa momba ny fampiasana ny lahatahiry manokana momba anao ianao, dia alefaso any amin’ny birao misahana ny tsiambaratelon’ny lahatahiry azafady ny fangatahana.

Mifandraisa aminay

Fanontaniana apetraka matetika

Manokafa kaonty maimaim-poana

Raketo ny mombamomba ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao, ary mahazoa torohevitra natao ho anao manokana momba ireo razambenao.

Na midira ao amin’ny kaonty raha efa manana kaonty ianao